Noraisin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, teto Fiadanana ny delegasiona avy amin’ny “Projet de Formation Sud – Certificat Référent en Pédagogie Universitaire” (PFS-CRPU), notarihan’i Pr Dorothée Baillet ao amin’ny “Université Libre de Bruxelles”, niaraka tamin’ny solontenan’ny Oniversiten’ Antananarivo, ny 24 novambra 2025.
Ity tetikasa vaovao ity dia tafiditra anatin'ny tetikasa ARES CCD ary mitohy amin’ny “Projet de Formation Sud – Certificat en Pédagogie Universitaire” (PFS-CPU) izay efa nanofana mpampianatra tamin’ny sehatry ny fomba fampianarana eny amin'ny Oniversite.
Tanjon'ny tetikasa ny hanamafy sy hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana ambony amin’ny alalan’ny fiofanana ho an’ireo mpampianatra.