Noraisin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy teto Fiadanana ny Masoivohon'ny Afrika Atsimo eto Madagasikara, Andriamatoa Khazamula Lawrence Chabane, ny 24 novambra 2025.

Fihaonana izay manamafy ny fiaraha-miasa mampiray an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo eo amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana sy ny fampiroboroboana ny fikarohana ary samy naneho ny fahavononany ny roa tonta.