Hankalaza ny faha 100 taona nijoroany ny Valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT), iray amin'ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES).

Ho fanomanana izany, dia mitohy ny asa ataon'ireo komitin'ny fanarenana, ahitana ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena (MEN) , ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina (MCC), ary ny Ministeran'ny toe-karana sy ny Fitantanambola (MEF). Ireto farany izay hamolavola ny tolo-kevitra amin’ny fanatsarana ny Valan-javaboahary mialoha ny fankalazana.

Nidina ifotony, nijery ny zava-misy tao an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda‑Vy, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana, Ramatoa VOLOLONIAINA Lucie, ary ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Andriamatoa MANESIMANA Rafanomezantsoa Michaël ny 24 novambra 2025.

Nankasitraka ny fiaraha-miasa ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ary nisaotra ny rehetra amin’ny fifanomezan-tanana ho fampiroboroboana ny fikarohana sy ny fiarovana ny harena voajanahary.