Noraisin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy teto Fiadanana ireo mpikambana ao amin'ny "Syndicat du Personnel Administratif et Techniques des Universités" (SPATU) manerana ny Nosy, ny 21 novambra 2025.
Nifampizara ny hetahetan'ny mpiasa sy niara nijery izay azo hanatsarana ny fomba fiasa ny roa tonta. Nodinihana manokana ny mikasika ny aménagement des postes budgétaires, ny recrutement, ny prise en charge, ny fisitrahana mari-boninahi-pirenena. Natolotry ny SPATU nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny tolo-kevitra momba ny sata mifehy ny PAT.
Afapo tamin'ireo fanazavana nentin'ny Minisitra sy ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministera ny sendika izay notarihan'ny Filoha Nasionaly, Andriamatoa RAKOTOSON Albert Pierre.