Ny 21 novambra 2025, notanterahina teny amin’ny Cathédrale DEGS ny lanonana famoahana sy fanomezana mari-pahaizana ho an’ny Andiany Soatilo (Licence) sy Fanilo Mamiratra (Master) avy amin’ny lalam-piofanana Haifiaraha-monina ao amin’ny sampana EGS Ankatso.
Sambany teo amin’ny tantaran’ny Anjerimanontolo no nisy Filohan’ny Repoblika nanatrika mivantana ny famoahana andiany mpianatra. Tonga nanotrona izany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Nampahatsiahy ny maha laharam-pahamehana ny Fampianarana Ambony eto Madagasikara ny Filoha. Nanamafy izy fa ny fanomezan-danja ny fahalalana sy ny tanora no fototra hanavotana sy hampandrosoana ny Firenena.
Ankoatra izany, nampirisika ny Minisitra, ny Filohan’ny Fanavaozana, handray fepetra hentitra manoloana ny kolikoly sy ny diplaoma sandoka mihanaka ao amin’ny anjerimanontolo, mba hiantohana ny fahamendrehan’ny rafitra sy ny kalitaon’ny fampianarana.
Notsindriany ihany koa ny fanohanana avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana ho famahana ny olan’ny jiro, fametrahana forage, fanamboarana bloc sanitaire, ary fandinihana ny fanarenana ny trano fonenan’ny mpianatra manerana ny Oniversite.
Tetsy ankilany dia nisaotra ny Fitondram-panjakana amin’ny fanohanana amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa sy fitaovana ary nisaotra ny fianakaviamben’ny fampianarana ny Minisitra. Nampahatsiahy ireo mpianatra ihany koa ny tenany fa ny fahaiza-miaina no mari-pahaizana voalohany, ary ny fahalalana dia hery lehibe tokony hampiasaina ho fanasoavana ny fiaraha-monina sy ny mpiarabelona.