Fototra iorenan'ny fikarohana ny zava-maniry sy ny biby ka mahatsiaro manana adidy amin'ny fifanomezan-tanana amin'ny fikarakarana ireo hazo sy biby ireo ny fikambanan'ny Mpikaroka Mpampianatra na ny ACE.

Nanatanteraka “andro maitso” izy ireo ka zanakazo fihinam-boa 190 fototra ahitana karazany 20, no nambolena tao amin'ny valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT), ivon-toeram-pikarohana izay eo ambany fiahian'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny 2 martsa 2024. Tonga nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera, izay nanamarika fa fitsinjovana amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ny hetsika toy izao.

Tafakatra 379 ireo mpikambana ao amin'ny ACE ka anisany handray anjara mivantana amin'ny fikarakarana sy fanomezan-tsakafo ho an'ireo biby ao amin'ny PBZT.