Zava-dehibe nampiavaka ny Bakalorea 2025 ny fampiasana “caméra de surveillance” sy rafitra fiarovana manokana ho fanaraha-maso ny laza adina, ny fiaraha-miasa tamin’ny sampana miady amin’ny “cybercriminalité” hanenjehana ireo mpivarotra laza adina ary ny fitomboan'ny ivon-toeram-panadinana ho lasa 179.

Fanamby ho an’ny taona ho avy ny fahaleovantenan’ny Oniversitem-paritra (Vakinankaratra, Itasy, Analanjirofo, SAVA) amin’ny fikarakarana ny fanadinana, ny famongorana ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ny fotoana sy famongorana ny halatahaka ary ny fanafoanana ireo endrika kolikoly misy amin’ny fanadinana.

Hojerena manokana ny fanatsarana ny fomba fiasa ary angatahana ny mba hisian'ny fanatsarana ny tetibola sy fampitaovana ho an'ny fanadinana Bakalorea.

Tontosa ny 20 Novambra 2025 teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fanaovana tombana ny fanadinana bakalorea 2025 izay natao hijerena sy hanatsarana ny fikarakarana ny fanadinana.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ary nanamafy fa ilaina ny fiaraha-mientana ho amin’ny Bakalorea madio, azo antoka ary manome fahafahana ho an’ny tanora Malagasy.

Niara-nidinika mivantana sy tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra ireo mpisehatra rehetra:

- Ministera mpiara-miombon’antoka (Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak'asa).

- Polisy, Zandary sy Tafika Malagasy.

- Mpisehatra maro amin’ny fikarakarana fanadinana eny anivon’ny Oniversite.