Noraisin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, teto Fiadanana, ny delegasiona avy amin’ny HUAWEI Madagasikara notarihin’Atoa Huo JINWEN, Tale Jeneraly Lefitra, ny 19 novambra 2025.
Tanjon'ny fihaonana ny fanaraha-maso sy fanamafisana ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina roa volana lasa izay, mikasika ny fampiofanana sy fanomezana mari-pahaizana ho an’ny mpianatra sy mpampianatra amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra.
Voaresaka ihany koa ny :
- Fijerena ireo Oniversite afaka ho mpiara-miombon’antoka amin’i Huawei
- Fanamafisana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny fiofanana sy fanamarinana natomboka hatramin’ny 2021
- Fanohizana ny fifaninanana ara-teknolojia karakarain’i Huawei isan-taona
- Fanamafisana ny fandraisana anjara amin’ny asa sy hetsika ataon’i Huawei
Nifanaraka ny roa tonta ny hanantanteraka antsakany sy andavany ireo teboka voarakitra ao anatin'ny fifanarahana.