Natolotry ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemantan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RAJAONARIVELO Herintsalama, teo anatrehan’ny Antenimieram-pirenena, ny 18 novambra 2025, ny fandaharan’asam-panjakana ho fanatanterahana ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana ho an'ny Fanavaozana ifotony (PGE-R).
Nanotrona azy tamin'izany ireo mpikambana mandrafitra ny Governemanta nahitana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Natao hiatrehana ny zava-misy mifanaraka amin'ny filàn’ny vahoaka ity PGE-R ity ary mifototra amin’ny fametrahana ny mangarahara ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitondrana tsara tantana.