Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 17 novambra 2025 ny fampiofanana ho an’ireo teknisiana 19 avy amin’ny rafitra samihafa, momba ny Insémination Artificielle amin’ny omby, eo ambany fiahian’ny Tetikasa AIEA MAG5029, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Food Security Résilience Project (FSRP) sy ny FOFIFA-DRZVP.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr SALAVA Julien. Nohamafisiny fa manohana hatrany ny fikarohana mamaly ny filàn'ny Firenena sy miantraika mivantana amin'ny fampandrosoana ny Ministera ary porofon'izany ity tetikasa ity.

Mpampiofana manam-pahaizana avy amin’ny Agence Internationale de l’Énergie Atomique (AIEA) sy mpikaroka avy amin’ny FOFIFA-DRZVP no manome ny fanofanana, izay haharitra hatramin’ny 28 novambra 2025.

Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisiana amin’ny fampiharana teknolojia maoderina hanatsarana ny kalitao sy ny vokatra ara-piompiana ary hitondra vahaolana amin’ny ady amin’ny hanoanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo, amin’ny alalan’ny fikarohana sy ny fampandrosoana.