Ao anatin'ny ezaka tanterahin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanomezana fahazoan-dalana ireo lalam-piofanana manaja ny fepetra takiana.
Lalam-piofanana miisa 166 tamin'ireo antontan-taratasy 523 nodinihana nandritra ny CNH no nahazo fankatoavana avy amin’ny MESUPRES araka ny tatitra tamin’ny tombana natao ny 17 novambra 2025.
Nifampizara soso-kevitra hanatsarana ny fomba fiasa amin’ny CNH manomboka amin’ny fanomanana ka hatramin’ny fanadihadiana ireo antontan-taratasy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nandritra ity fotoana ity.
Natao ihany koa ny tombana mialoha ho an'ny Bakalorea 2025 ary hotanterahina ny 20 novambra 2025 ho avy izao ny tombana iarahana amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny fanadinana bakalorea.