Noraisin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, teto Fiadanana, ny Masoivohon'i Sina eto Madagasikara, Andriamatoa Ji PING, ny 17 novambra 2025.
Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fahavononan'ny roa tonta hanamafy ny fiaraha-miasa efa misy, indrindra amin’ny alalan’ny fampandrosoana fandaharana iombonana, fanitarana ny fifanakalozana ara-akademika sy ara-tsiansa, ary fanamorana ireo tetikasa vaovao iaraha-miasa.
Voaresaka ihany koa ny fampivoarana ny Ivon-toerana Confucius eny amin’ny Oniversite any amin’ny Faritany hanamafisana ny fianarana ny teny sinoa, ny fampielezana ny kolontsaina, ary ny fanamafisana ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-pampianarana.
Ankoatra izay dia naneho fahavononana amin’ny fampitana teknolojia maoderina, maharitra ary mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fananganana fotodrafitrasa eny amin’ny Oniversite ny Masoivoho.