Ny 13 novambra 2025, nihaona tamin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Birao Nasionalin’ny Sendikan'ny Mpampianatra-Mpikaroka sy ny Mpikaroka-Mpampianatra (SECES) notarihin’ny Filohany Dr RANDRIAMIALINORO Faliarivony.

Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera sy ny Sendika, ho fanarenana sy fanatsarana ny sehatry ny fampianarana ambony.

Nanamafy ny andraikiny amin’ny fanabeazana sy fanofanana ny taranaka ny SECES na dia eo aza ny zava-tsarotra iainan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy ny Mpikaroka-Mpampianatra.

Mitodika amin’ny fanatsarana ny rafitra sy ny tontolon’ny fampianarana ambony ny fiaraha-mientana :

Hamerenana ny hasin’ny fampianarana ambony, ho reharehan’ny vahoaka Malagasy.

Hanamafisana ny fiombonana sy ny fifampitokisana, eo amin’ny Ministera sy ny SECES.

Hanatsarana ny andinindininy amin’ny fandraisana mpampianatra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.

Hanatanterahana taom-pianarana mirindra sy mahomby.

Fanalahidy amin’ny fanorenana ho avy vanona ny fampianarana ambony hoy izy ireo nanamafy ary iaraha-misalahy, iaraha-mamolavola, iaraha-manavao izany mba ho fanomezan-danja ny fahaiza-manao sy ho fanomezana diplaoma mendrika ho an’ny tanora Malagasy.