𝑁𝑎𝑡𝑎𝑜 ℎ𝑜 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑟𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑚𝑝𝑜𝑛𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑖𝑘𝑖𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎

Mifanaraka tanteraka amin'ny lalantsain'ny Fanavaozana izay mitaky fahitsiana sy fangaraharahana no nanatanterahan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemantan'ny Fanavaozana ny fanambaram-pananana teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ny 11 novambra 2025, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra RAJAONARIVELO Herintsalama.

Anisan’ireo nahavita ny adidiny amin'ny fanantanterahana izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.