Notanterahina ny 10 novambra 2025 teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fanolorana ireo “𝐎𝐫𝐝𝐢𝐧𝐚𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐝𝐞 𝐛𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮, 𝐨𝐫𝐝𝐢𝐧𝐚𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐩𝐨𝐫𝐭𝐚𝐛𝐥𝐞𝐬, 𝐢𝐦𝐩𝐫𝐢𝐦𝐚𝐧𝐭𝐞𝐬 𝐦𝐮𝐥𝐭𝐢𝐟𝐨𝐧𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬, 𝐝𝐮𝐩𝐥𝐢𝐜𝐨𝐩𝐢𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐞𝐫𝐯𝐞𝐮𝐫𝐬” 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲. Nanatrika izany ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Fitaovana vaovao sady raitra azo tamin'ny alalan'ny tetikasa Fonds Commun de l’Éducation (FCE) izay ivondronan'ny AFD, ny UNICEF, ny Union Européenne ary ny Global Partnership Education. Nisolotena ireo mpiara-miombon’antoka nanolotra izany ny Masoivoho Frantsay, Atoa GUILLOIS Arnaud.
Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony, hanatanterahana ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea ary hiantohana ny fampandehanana ny fanatobiana nomerika ka hisitraka izany avokoa ny Oniversitem-panjakana manerana ny Nosy.
Taorian’ny fanolorana ara-pomba ofisialy dia nisy fotoana fifampizarana niarahan’ireo Filohan’ny Oniversite sy ny solontenan’izy ireo, ary ireo ivon-toeram-pikarohana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola. Io fotoana io dia nanome sehatra nahafahan’izy ireo naneho ny hetahetany sy ny faniriany amin’ny fiaraha-miasa, araka ny tena filàn’ny Oniversite tsirairay sy ny ivon-toeram-pikarohana.