Andry voalohany iorenan'ny fitantanana ny firenena napetrak'Andriamatoa Filoham-pirenena ny fampandrosoana ny mahaolona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny lafiny sosialy. Ho fanatsarana hatrany ny tontolon'ny fampianarana ambaratonga ambony dia nisitraka fotodrafitrasa vaovao ny Oniversiten'Antsiranana.
Natolotry ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny fomba ofisialy ny 24 mey 2024 lasa teo ny trano fonenan’ny mpianatra ao Antsiranana, ho fanampin'ny efa misy ao an-toerana. Trano misy rihana iray na R+1, mirefy 993 m2, ahitana efitrano 80 ary mahazaka mpianatra 160. Misy toerana natokana handrahoana ihany koa. Mitovy tanteraka amin'ireo trano fonenan'ny mpianatra naorina any amin'ireo oniversite hafa, efa vonona ny fampitaovana rehetra ao anatiny ary efa misy jiro sy rano.
Natao izao fotodrafitrasa izao mba hahafahan’ny tanora Malagasy manovo fahalalana amin’ny toerana mendrika ary ihany koa tafiditra ao anatin'ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana tanterahan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa entina hanatsarana ny fianaran’ireo mpianatra.
Nanotrona ny Filoham-pirenena nandritra ity lanonana fanolorana ity ny Filohan’ny Oniversiten’Antsiranana, ny Governoran'ny Faritra DIANA sy ireo olom-panjakana tao an-toerana. Tsiahivina fa miisa 12 ireo toerana misitraka trano fonenan’ny mpianatra vaovao manerana ny nosy.