Ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony, nitafa mivantana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny CODIR, mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, nandritra ny fandalovany tao Fianarantsoa ny 08 Novambra 2025.

Fotoana namelabelarana sy nifampizarana mivantana ireo hetaheta sy olana atrehin’ny Anjerimanontolo, ary nandrosoana sosokevitra ho famahana ireo olana ireo, ka nahazo anjara fitenenana avokoa ireo solontena avy amin’ny sokajy tsirairay.