Tonga nanolotra "panneaux solaires" ho famahana ny olan’ny jiro ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny Mpanolon-tsaina Avo ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RABEARIMANANA Lucien, niaraka amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny 8 Novambra 2025.

Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny asa fametrahana forage, ary hotolorana fitaovana toy ny « ordinateur » sy « imprimante » ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ireo Oniversite hafa manerana ny Nosy izay mbola tsy nisitraka izany.

Nohamafisin’ny Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany fa efa eo am-pikarakarana ny fandoavana ny ampahany faharoa amin’ny ora fanampiny ho an’ny mpampianatra, ary hivoaka tsy ho ela ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra.

« Tongotra miara-mamindra, soroka miara-milanja no ilaina hanatsarana ny fampianarana ambony » hoy ny Mpanolon-tsaina Avo, sady nanamafy fa tanjona lehibe ny famerenana ny lanjan’ny Oniversite, izay mitaky fandraisana andraikitra sy fanovana toetsaina avy amin’ny tsirairay.