Vahaolana avy hatrany no nentin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ho an'ny Oniversite Vakinankaratra nandritra ny fitsidihana nataony tao amin'ny campus universitaire Vatofotsy sy Tsaratanana ny 7 novambra 2025.
Hahaleo tena ny Oniversite Vakinankaratra manomboka ny taona 2026.
Afaka hikarakara avy hatrany ny diplaoma sy ny certification naoty any an-toerana raha voatery natao tany amin'ny Oniversiten’Antananarivo izany teo aloha.
Eo amin'ny lafiny fitantanana dia hanana ny tetibolany manokana ity Oniversite ao Antsirabe ity ka tsy hitambatra intsony amin'ny Oniversiten'Antananarivo.
Nandritra ny fitsidihany dia nitafa mivantana tamin'ireo mpampianatra, mpianatra, mpandraharaha ary mpampianatra an-tselika tao amin'ny Oniversiten’i Vakinankaratra ny Minisitra.
Niompana tamin'ny olana misy sy ny fampandehanana ny fampianarana ny fihaonana ary naneho fahavononana ny hamaha izany ny Minisitra.