Notanterahina ny 6 novambra 2025 teto Fiadanana ny CPU voalohany niarahan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy tamin'ireo Filohan'ny Oniversite manerana ny Nosy, ireo Tale Jeneralin’ny IST telo sy ireo Oniversitem-paritra.

Fivoriana faratampony manapaka ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony ny CPU ka niompana manokana tamin'ny fandaminana ankapoben’ny fampianarana ambony ny fivoriana.

Voaresaka tamin'izany ny famaranana ny taom-pianarana eny amin'ny Anjerimanontolo izay miankina amin'ny toe-draharaha misy eny amin’ny Oniversite tsirairay.

Tapaka ihany koa fa hotanterahina ny 17 novambra 2025 ny fanaovana tombana ny fanadinana bakalorea 2025.

Ho fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana, hisitraka “panneaux solaires” sy fametrahana “forage” avy amin'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara avokoa ny Oniversite manerana ny Nosy. Hisy ny fanomezana fitaovana toy ny "ordinateur" sy "imprimante" avy amin’ny MESUPRES vokatry ny fiaraha-miasa ao anatin'ny "Fonds Commun de l'Education" (FCE) avy amin'ny “Agence Française du Développement” (AFD), ny "Union Européenne" sy ny UNICEF.