Nanara-maso ny fizotry ny asa fanavaozana sy fanitarana ny UniPod eto Madagasikara izay hatao eto Tsimbazaza ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny staff ny 5 novambra 2025.

Toerana hampifandraisana ireo tanora, mpikaroka sy mpandraharaha ahafahan'izy ireo mamolavola hevitra sy fikarohana mitondra vahaolana sy fanavaozana ary ny fampandrosoana maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny Firenena.

Tetikasa izay vatsian'ny PNUD vola ary novolavolain’ny Fitaleavana momba ny Fikarohana sy ny Haivao (DRI) izay ao anatin’ny Fitaleavana Ankapoben’ny Fikarohana Ara-tsiansa (DGRS).