Tsy kabary fa asa avy hatrany hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy nandritra ny fanolorana ireo "panneaux solaires" miisa 1092 avy amin'ny Fitondram-panjakana ho an'ny Oniversiten’Antananarivo ny 4 novambra 2025.
Ny 804 amin'ireo "panneaux solaires" ireo dia manana tanjaka 590W ary ny 288 kosa manana tanjaka 720W. Misy ihany koa ny fitaovana hafa miaraka aminy toy ny "batterie", "onduleur", "ordinateur portable", "caméra de surveillance" ary "lampadaire". Nandray tamin'ny fomba ofisialy izany ny Filohan'ny Oniversiten'Antananarivo Pr RANDRIANASOLO Rivoarison niaraka tamin’ireo Filohan'ny Fikambanan'ny mpianatra pedagojika sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy.
Hanampy amin’ny famatsiana herinaratra mahaleotena sy hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana eny amin'ny Anjerimanontolo ireto fitaovana ireto ary samy hisitraka izany avokoa ireo Oniversite manerana ny Nosy.
Nampahatsiahy ny Minisitra fa fananambahoaka ireo fitaovana ireo, ka nentaniny ny tsirairay hitsinjo sy hiaro izany.
Marihana fa efa nahazo ny anjarany ihany koa ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo Vontovorona.