Ny 3 novambra no andro natokan’ny UNESCO hanamarihana ny lanjan'ireo faritra arovana izay mampifandray ny zavaboahary sy ny fampandrosoana maharitra.
Anisany mampisongadina an’i Madagasikara amin’ity taona ity ny fidiran’ny Réserve de Biosphère Tsimembo sy Mantadia ao anatin’ny « Réseau Mondial de Biosphère » (MAB) maneran-tany, izay ahitana réserves miisa 784 amin’ny firenena 142.
Ny fikarohana ara-tsiansa ao amin’ireo « Réserves de Biosphère » dia singa fototra amin’ny fanatanterahana ny Paik’ady Hangzhou 2026–2035, izay mikendry ny fampifanarahana ny fiainan’ny olombelona sy ny tontolo iainana.
Mitana anjara-toerana lehibe amin'izany ny fikarohana ara-tsiansa ary anisany nandray anjara nandritra ny fivoriana faha 37 ny filankevitry ny fandrindrana iraisam-pirenena momba ny « Man and Biosphere Program » tany Hangzhou, tao Sina ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa tamin’ny alalan'ny Tale Jeneralin'ny Fikarohana ara-tsiansa Pr RANARIJAONA Hery Lisy Tiana.