Nitafa mivantana tamin’ireo mpianatra, mpampianatra ary mpandraharaha ao amin'ny Oniversiten'Antsiranana ny Mpanolon-tsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara notarihan'ny Kolonely RABEARIMANANA Lucien ny 2 novambra 2025, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira.

Manoloana ny toe-draharaha any an-toerana dia tonga nijery akaiky ny fototry ny olana ny Fitondram-panjakana ary mbola any an-toerana mamaritra vahaolana mazava sy haingana amin'izao fotoana izao.

Hentitra ny Minisitra manoloana ny zava-misy any an-toerana ary nambarany fa tsy ekena ny fanafihana ataon’ ireo olondratsy ireo mpianatra ao anatin’ny Campus Universitaire ary efa napetraka eo am-pelatanan'ny mpitandro ny filaminana ny raharaha sy ny fanadiadiana mahakasika izany.

Anisan'ny fepetra noraisina ihany koa ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina amin'ny faritra manodidina ny « Campus Universitaire » manomboka amin'ny 08 ora alina ka hatramin'ny 04 ora maraina, ary miambina ny Cité ireo mpitandro ny filaminana.

Manoloana ny fitakian’ireo mpianatra kosa dia nampahafantarin'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ireo vahaolana momba ny jiro sy ny rano atolotry ny Fitondram-panjakana ka « panneau solaire » 20MWh no ho tonga any an-toerana ary hanomboka farak'izay haingana ny « forage ». Mahakasika ny fotodrafitrasa dia efa eo am-pandaminana ny hanatanterahana ny fanavaozana fotodrafitrasa miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka ny Ministera. Ary afaka telo herinandro kosa farafahatarany dia hivoaka ny vatsim-pianaran'ny mpianatra.

Tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana manamanjo tao Lazaret Nord ireo Tompon'andraikitra ary efa nahazo fanafahana avokoa ireo voatazona.