Ny « Réserve de biosphère » dia faritra iray izay mampirindra ny fiarovana ny zavaboary sy ny fiveloman’ny olombelona ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Ny fahatratrarana izany dia amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mponina, ny fizarana fahalalana, ny fampihenana ny fahantrana ary ny fanajana ny soatoavina ara-kolontsaina. Tsy afa-misaraka ny fikarohana ara-tsiansa sy ny zavaboary ary ny fiahiana ny tontolo iainana hisian'ny fiainana sy fampandrosoana maharitra.

Anisan’ireo firenena mankalaza izany i Madagasikara, izay nahazo fankasitrahana manokana noho ny fahazoany Réserves de biosphère roa tafiditra ao anatin’ny Réseau mondial des réserves de biosphère (MAB) maneran-tany, izay ahitana réserves miisa 784 amin’ny firenena 142. Tsy iza ireo faritra ireo fa ny Réserve de biosphère Tsimembo sy ny Réserve de biosphère Mantadia.

Tsiahivina fa nandritra ny Kongresy Iraisam-pirenena natao tany Chine ny 26 ka hatramin’ny 28 septambra 2025 dia noraisina tamim-pomba ofisialy sy manetriketrika ny mari-pankasitrahana avy amin’ny Komitin’ny Tambajotra MAB maneran-tany ho an’ireo faritra roa ireo.

Hiavaka ity fankalazana voalohany amin’ny 03 novambra 2025 ity satria isaky ny « Réserve de biosphère » dia hisy fanamarihana manokana momba ny paikady vaovao ho an’ny folo taona ho avy, izay nolaniana tany Hangzhou (Chine). Fotoana hahafantarana ihany koa ireo « Réserve de biosphère » vaovao nahazo fankatoavana, miampy ireo efatra efa misy eto Madagasikara.