Nanomboka ny 11 mey 2024 ka haharitra hatramin’ny 21 jona 2024 ny adina ara-panatanjahan-tena bakalôrea ho an’ny Faritra Analamanga. Ny taranja lomano no nisantarana izany teny amin’ny « piscine olympique » ao amin’ny ANS Ampefiloha. Mpianatra 215 no nisafidy ity taranja ity, ahitana ny sokajy rehetra raha manodidina ny 80000 ireo mpiadina ara-panatanjahan-tena.

Nitso-drano sy nirary soa ireo mpiadina teny an-toerana, ny solotena avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa notarihin'ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, Pr LAZAMANANA André Pierre.

Nizotra am-pilaminana ny andro voalohany amin’ny ankapobeny ary feno ireo fepetra manodidina ny fiarovana ireo mpiadina nandritra ny fanadinana. Miara-misalahy amin'ny fanatanterahana ny fanadinana bakalôrea ireo ministera telo misahana ny fanabeazana dia ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Ara-kasa.