Rehefa mivoaka ny lisitra, dia antsoin’ny Tompon'andraikitra avy ao amin'ny SBex tsirairay ireo mpianatra hampahafantarina fa misitraka vatsim-pianarana.

Miandry ny VISA hivoaka.

Raha vantany vao mivoaka ny VISA, dia antsoina indray ilay mpianatra haka izany eny amin’ny SBex.

Tsy miaraka mivoaka avokoa ny VISA rehetra, fa miankina amin’ny Ambasady.

Ho an’ireo voasoratra ao anaty lisitra kanefa tsy tratra antso, dia manasa anareo hanatona mivantana eny amin'ny SBex Ankadifotsy – Antananarivo alohan’ny 30 Septambra 2025 farafahatarany.