Manamarika tanteraka ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny fanofanana ny tanora amin’ny sehatry ny nomerika ho fampandrosoana ny Firenena.
Nosoniavina nandritra ny lanonam-panokafana ny andiany faha-10 amin’ny Huawei ICT Competition, ny 18 septambra 2025 tao amin’ny Colbert Antaninarenina, ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla sy Andriamatoa Carl WU, Tale Jeneralin’ny Huawei Madagascar.
Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ny hanofanana sy hampivelarana ny tanora sy ny mpampianatra ary hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahafahan’izy ireo miasa amin’ny sehatra teknolojika.
Nomena voninahitra manokana nandritra ity lanonana ity ireo mpianatra sy mpampianatra nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny Huawei ICT Competition andiany faha-9.
Nirehareha sy nanamafy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla nandritra ny fandraisany fitenenana fa manana fahaiza-manao avo lenta i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary miasa sy mamokatra ireo mpampianatra sy mpianatra Malagasy.
Toy izao ny vokatra azo :
- Network Track (ESPA) : loka voalohany
- Computing Track (ESPA – MISA Ankatso) : loka voalohany
- Cloud track (MISA Ankatso – ENI) : loka faharoa
Tonga nanome voninahitra ity lanonana ity ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Ramatoa DELMOTTE Stéphanie.