Tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana napetraky ny Filohan'ny Repoblika, Andry RAJOELINA, ny fanamafisana ny fikarohana sy ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena voajanahary eto Madagasikara.
Ny « Institut et Observatoire Hydroclimatique de l’Itasy » (IOHI) dia hifantoka amin’ny fikarohana momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany amin’ny loharanon-drano, indrindra fa ny Farihin’Itasy, mampiasa fitaovana maoderina toy ny « télédétection », « Internet des objets », « modélisation » ary « intelligence artificielle », mba hanampy amin’ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena sy hiantoka ny hoavin’ny Faritra Itasy sy ny taranaka ho avy.
Ny talata 16 septambra 2025, notanterahina tao amin’ny Oniversiten’Itasy ny lanonam-panokafana ity Ivon-toerana ity. Nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr CHAMINAH Loulla nandritra izany ny Talen’ny Kabinetra, Ramatoa RABOANARIJAONA RAHANTASON Voahirana.