Ny Fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA dia mametraka ny tanora sy ny fampiroboroboana ny fikarohana ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny Firenena.

Izany indrindra no antony hametrahana ny “University Innovation Pod” (UniPod) eto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES). Toerana hampifandraisana ireo tanora, mpikaroka sy mpandraharaha ahafahan'izy ireo mamolavola hevitra sy fikarohana mitondra vahaolana sy fanavaozana ary ny fampandrosoana maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny Firenena.

Natao ny 15 septambra 2025 teto Fiadanana ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa izay nifanaovan'ny Minisitry Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr CHAMINAH Loulla, sy ny solontena maharitry ny Fandaharan’asa Fampandrosoana an’ny Firenena Mikambana (PNUD) eto Madagasikara, Andriamatoa Edward Christow.

Ny UniPod dia hanana rafitra iaraha-mitantana amin'ny MESUPRES, ny PNUD, ny Oniversite, ny ivon-toeram-pikarohana ary ny solontenan’ny sehatra tsy miankina.

Laboratoara 5 momba ny :

- Angovo azo havaozina

- Faharanitan-tsaina sy robotika

- Fifindran’ny teknolojia

- Sakafo sy indostria agro-alimentaire no ho hita ao.

Ny fanomezana sehatra tahaka izao dia endrika velona amin’ny nofinofintsika ho an’ny fikarohana siantifika Malagasy ary manome lanja ny tanora, ny famoronana, ny vahaolana ary ny fahaleovantena hoy ny Minisitra nanamafy nandritra ny fandraisany fitenenana.

Tetikasa novolavolain’ny Fitaleavana momba ny Fikarohana sy ny Haivao (DRI) izay ao anatin’ny Fitaleavana Ankapoben’ny Fikarohana Ara-tsiansa (DGRS).