Eo am-pamolavolana ny Commission Nationale d’Habilitation (CNH) ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Ity no rafitra manome alalana ny fisokafan’ny sampam-pianarana eny amin’ny ambaratonga ambony.

Nohavaozina sy natsaraina ireo fitsipika sy fepetra entina manome alalana, mba hahazoana antoka fa ny sampam-pianarana vaovao dia manome fianarana manan-kery, manaraka ny fenitra, ary manome fahafahana ho an’ny tanora Malagasy.

Ity fanovana ity dia anisan’ny vina nentin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ho antoka lehibe amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony.

Hentitra ny fanaraha-maso ny fanomezana ny fankatoavana na « Habilitation » manomboka amin’ity andiany ity ary mialohan'ny hanatanterahana ny fanomezana izany amin’ny CNH dia hisy ny fidinana ifotony fitsidihan’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa any amin’ny foibem-pampianarana mangataka fankatoavana.

Jerena manokana mandritra ny rafitra CNH ny isan’ny mpampianatra raikitra sy ny mari-pahaizan’izy ireo. Tsy tokony ho vacataires avokoa ireo mpampianatra ary tokony ho ambony noho ny diplaoma ho kasaina avoaka ny diplaoman’ireo mpampianatra.

Hodinihana ihany koa ny fifanarahana eo amin’ny « domaine, mention, parcours ».

Mitotaly 100 isa ny fanombanana, ka ny ivon-toerana mahazo 75% farafahakeliny no afaka mahazo fankatoavana.

Voir la video