Anisan’ny laharam-pahamehanan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fijerena manokana ny ankizy sy ny tanora.
Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanomezana fotodrafitrasa maoderina sy mendrika ho azy ireo.
Ny 10 Septambra 2025 dia notokanan’ny Filoham-pirenena ny EPP manara-penitra ao amin’ny Fokontany Iavoloha. Fotodrafitrasa natao hanomezana tontolo ianarana mendrika ho an’ny taranaka ho avy.
Taorian’izany dia napetraka ihany koa ny vato fototra ho an’ny kianja fanofanana ara-panatanjahantena CFFA (Centre de Formation de Football Andoharanofotsy).
Mpikambana ao amin’ny Governemanta sy olo-manan-kaja maro no nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana. Anisan’ireo tonga nanatrika ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.