Laharam-pahamehan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny fanatsarana ny kalitaon’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Ho fanatanterahana izany, mikarakara ny « États Généraux de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique » (EG-ESRS) ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESupReS), miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF) sy ny Service de Coopération et d’Action Culturelle (SCAC). Anisany nangataka ny fametrahana ity hetsika ity ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra tamin’ny alalan’ny SECES sy ny Fivondronamben’ny Profesora.

Tsy maintsy atao ary zava-dehibe ny fanombanana lalina ny zava-misy ankehitriny mba hamantarana ny tanjaka sy ny lesoky ny sehatra, ny fahafaha-manao ary ny sakana mety hitranga, ary io no fototry ny famolavolana tolo-kevitra mivaingana sy ny famaritana vinavina stratejika vaovao ho an’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, izany indrindra no atao amin'ity États Généraux de l'Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique (EG-ESRS) ity.

Mandritra ny hetsika hisy ny fifanakalozan-kevitra ahitana ny fanjakana, tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, mpiara-miombon’antoka hananganana ny rafitra mahomby, mandray anjara sy maharitra, mamaly ny filàn’ny toekarena, fiarahamonina ary indostria. Hodinihina ihany koa ny fanavaozana ny rafitra ara-dalàna, indrindra amin’ny sehatry ny fampianarana ampitain-davitra, fanamarinana ny kalitao ary fanomezana mari-pahaizana. Hitondrana vahaolana ireo olana fototra toy ny tsy fifanarahan’ny tolotra fampianarana amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa, ny fikarohana siantifika mbola tsy mifandray amin’ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ny fitantanana mbola misaratsaraka.

Ny dingana rehetra dia hatao manomboka ny volana septambra 2025 ka hatramin’ny volana desambra 2026 ka mandritra izany dia hiroso amin’ny fanomanana, fanadihadiana, famolavolana paikady ary fanamarihana nasionaly.