Laharam-pahamehan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fametrahana mangarahara amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, indrindra amin’ny sehatry ny fampianarana.

Ny 8 septambra 2025, nidina ifotony teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany (SBEX) teny Ankadifotsy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla. Tanjona ny fijerena akaiky ny fomba fazahoana vatsim-pianarana any ivelany sy fitondrana fanazavana momba izany amin'ireo Ray aman-dreny sy mpianatra. Niresaka mivantana tamin'ireo tompon’andraikitra rehetra ny Minisitra entina hanatsarana ny fomba fiasa.

𝐈𝐫𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐯𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 :

- Manomboka ny volana oktobra dia efa mandray ny antontan-taratasin'ireo fangatahana vatsim-pianarana ny SBEX.

- Mandalo sivana ireo antontan-taratasy rehetra rehefa misy ny vatsim-pianarana ary ireo mpianatra mendrika sy manaraka ny fepetra takiana no hahazo.

- Misy ny kaomity mandinika ny lisitr'ireo ankizy voafantina ary ivoaka amin'ny pejin'ny Ministera ny anaran'ireo misitraka vatsim-pianarana mba hisian'ny mangarahara.

- Ao aorian'izay dia mandalo eny anivon’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sy ny Masoivoho ny fikarakarana.

Marihana fa ny Governemanta vahiny toa an’ i Maroka, Rosia, Alzeria, Cuba, Sina, Indonézia,Tonizia no manome ireo vatsim-pianarana isan-taona.

Entanina araka izany ireo mpianatra tsy hiandry ny filazana vatsim-pianarana fa azo atao avy hatrany ny manao fangatahana vao vita ny fanadinana bakalorea.

𝐓𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐢𝐧𝐚 :

𝟏- 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐛𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨̂𝐫𝐞𝐚 :

- Diplaoma certifié

- Relevé de notes certifié

- Bulletins de notes Seconde, Première, Terminale

- kopia amin'ny teny Malagasy

- Sary tapaka

𝟐- 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐢𝐜𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐬𝐭𝐞𝐫 :

- Relevés de notes 1ʳᵉ, 2ᵉ, 3ᵉ ou 4ᵉ année

- mari-pahaizana Licence na Master

- kopia amin’ny teny Malagasy

- Sary tapaka