Natolotry ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla tamin’ny fomba ofisialy ny 5 septambra 2025, teny amin’ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny Torohay sy Fahalalàna Siantifika ary Tekinika (CIDST) Tsimbazaza, ny Revue Scientifique de Madagascar (RSM).
Tanjona ny hanamafisana ny fahitana sy ny lanjan’ny fikarohana amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena sy hanohanana fandrosoana ara-teknolojia.
Profesora 40 avy amin’ireo Oniversite enina eto Madagasikara no mandrafitra ny komity siantifika. Izy ireo no miantoka ny fahamarinan’ny fanombanana sy manome ny fahazoan-dalana amin’ny lahatsoratra avoaka.
Ny RSM dia ampahany amin’ny iraka fototry ny CIDST izay ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny MESUPRES mikendry ny fampielezana sy fanandratana ny vaovao ara-tsiansa sy ara-teknika.