Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny 4 septambra 2025 ny « Salon de l'étudiant » andiany fahatelo ho an'ny Faritanin'Antananarivo. Hetsika izay karakarain'ny ivon-toeram-pikarohana momba ny Torohay sy Fahalalàna Siantifika ary Tekinika (CIDST), Ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Nanokatra ny lanonana, nisolotena ny Minisitra Pr CHAMINAH Loulla, ny Talen’ny "Accréditation et Assurance Qualité" , Pr RAHERINIRINA Angelo.

Tanjona ny hanampy ny Ray aman-dReny sy ny tanora Malagasy amin’ny fanomanana ny hoaviny ary tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana eto Madagasikara izany.

Ity hetsika ity ihany koa dia sehatra iray hanomezana fahafahana ireo tanora hifandray amin’ireo ivon-toeram-pampianarana ambony sy fanofanana, hahafantarany ny safidy sy ny làlana azony arahina.

Maherin’ny 75 ireo mpampiranty nandray anjara ahitana ireo Ivon-toeram-pampianarana ambony nahazo fankatoavana avy amin’ny MESupReS sy ireo Ivon-toeram-panofanana ho mpiasam-panjakana. Hisy famelabelaran-kevitra maro miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatry ny fanabeazana mandritra ny 3 andro hanatanterahana ny hetsika.