Natolotry ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ho an'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny 3 septambra 2025 teny amin'ny CCI Ivato ireo fiara vonjy aina, fiarakodia sy kodiarandroa aman'arivony ho aparitaka amin'ireo tobim-pahasalamana manerana ny Nosy.
Nanotrona azy tamin'izany ireo mpikambana maro ao amin'ny Governemanta izay nahitana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.
Izao tetikasa izao dia tafiditra anatin'ny fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ny fanatsarana ny maha olona amin’ny alalan’ny fahasalamana manakaiky vahoaka.