Efa miroso sy manomboka avokoa ankehitriny ny fanorenana ny trano fonenan’ny mpianatra ao Antananarivo, Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina, Toliara A, Toliara B. Trano R+1 mirefy 985,4 metatra toradroa, mahazaka mpianatra miisa 320 ary ahitana efitra 80, efitrano fivoahana sy fidiovana.

Andry voalohany iorenan'ny fitantanana ny Firenena napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fampandrosoana ny mahaolona sy ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny lafiny sosialy. Tafiditra ao anatin'izany ny fanatsarana ny tontolon'ny fampianarana ambony, ny fanomezana tontolo mampilamin-tsaina sy madio ary manaraka ny fenitra ho an’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanorenana ireo Oniversite sy trano fonenan’ny mpianatra.