Nankasitraka ny fiaraha-mientan’ny rehetra tamin’ny fahatontosan’ny « Conférence Publique » ny SADC notarihin’ny Fitaleavan’ny Fampandrosoana sy ny Fandrindrana ny Fiaraha-miasa (DDCP) sy ny fanadinana bakalorea 2025 ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr SALAVA Julien sy ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, Dr BEHAJA Alan Basile, ny 1 septambra 2025.
Nandritra izany ihany koa no nisaorana manokana ireo ekipa nitondra avo ny voninahitry ny Ministera tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena ASIEF notanterahana tany Mahajanga.
Mbola mitohy ny asa ary manentana ny rehetra amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny fikarakarana ny lalao fifanintsanana taranja basket ball izay hatao tsy hoela sy ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo Filohan’ny Oniversite enina manerana ny Nosy.
Nampahafantarina nandritra ity fotoana ity ihany koa ny Talen’ny Kabinetra vaovao Ramatoa RABOANARIJAONA RAHANTASON Voahirana izay nanamarika ny maha zava dehibe ny fifampiresahana sy ny fifampizarana.
Mirary herinandro sambatra, hombam-pahasalamana ho an’ny rehetra