Ao anatin'ny fampiharana ny tetikasa APA ( Accès et Partage des Avantages) voarakitra ao anatin'ny fifanarahana iraisam-pirenena "Protocole de NAGOYA" dia nisy ny fikaonandoha niarahan'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) ny 26 aogositra 2025 tao amin'ny Radisson Blu.
Nandray anjara tamin'ity fifanakalozan-kevitra ity ireo solotenan’ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian'ny MESUPRES izay notarihin'ny Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RANARIJAONA Hery Lisy Tiana.
Tanjona ny fampisitrahana ara-drariny ireo tombotsoa azo avy amin'ny fampiasana ireo loharanon-karena voajanahary, manaraka ny lalànan’ny fakàna sy fahavanonan'ny zavamananaina Malagasy eto Madagasikara. Izany dia miantefa amin'ny mpikaroka-mpampianatra, ny mpampianatra-mpikaroka, ny mpiaramiombon'antoka ary ny vondron'olona ifotony.
Ho fiarovana ny tontolo iainana sy hialana amin'ny fitrandrahana mihoapampana sy tsy ara-drariny dia manana adidy ireo mpikaroka hiara-miasa amin'ny mpiaro ny tontolo iainana.
Tapaka fa hisy ny fikaonandoha manaraka hiarahan'ny ministera roa tonta hatrany ahafahana manatsara kokoa ny fiaraha-miasa.