Isan-taona dia mikarakara ny « Salon de l’Étudiant et de l’Emploi » ny Ivon-toerana momba ny Torohay sy Fahalalàna Siantifika ary Tekinika (CIDST), ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.

Ho an’ity taona ity, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 22 aogositra 2025 manoloana ny Poste Mahajanga Be ny hetsika. Nisolotena ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr CHAMINAH Loulla nandritra ny lanonana ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony Dr BEHAJA Alan Basile notronin-dRamatoa NALY Cindy Vermeille Talen’ny CIDST sy Pr RANDRIANAMBININA Blanchard Filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga.

Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanomezana torolalana ara-piofanana sy arak’asa ho an’ireo mpianatra sy tanora. Tranoheva miisa 39 no naranty ahitana sampam-pianarana maro avy amin’ny Faritra manerana an’i Madagasikara. Hitohy hatramin’ny 23 aogositra 2025 ny hetsika.