Ao anatin'ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonamben'ny vondrona SADC faha-45 dia notokanan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sady Filoha vaovaon'ny vondrona SADC ny 18 aogositra 2025 ny ampahany amin’ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina.
Filoha sy mpitondra Fanjakana mpikambana ao amin'ny SADC maro no tonga nanatrika ity lanonana ity izay manamarika ny firaisankina-paritra sy vina iombonana.
Nanotrona izany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nahitana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.
Ny ampahany mampitohy an’Ambodifasina sy Ambohimanga ity notokanana ity.