Notokanan’ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA tamin’ny fomba ofisialy ny 15 aogositra 2025 ny fitaterana an-tariby « téléphérique » izay fotodrafitrasa hanatsarana ny fitaterana eto an-dRenivohitra mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.
Nanotrona azy tamin’izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta tarihan’Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian ka isan’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.
Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka ny Sabotsy 16 Aogositra 2025 ity teleferika ity.