Fahombiazana tanteraka ny famelabelaran-kevitra ho an'ny daholobe na « Conférence publique » notanterahana teo ambany fiahian'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara sady Filoha vaovaon'ny vondrona SADC ny 14 aogositra 2025, tao amin’ny Grand Amphi EGS/DSP Ankatso - Oniversiten’Antananarivo.

Manan-danja lehibe amin'ny Filoham-pirenena ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana izay antoky ny fampandrosoana maharitra ho an' ny Firenena ka antony nisafidianany manokana ny Anjerimanontolo Ankatso ho toerana hanatanterahana ity hetsika ity.

Nohamafisin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla nandritra ny lahateny fanokafana ny lanonana fa dingana iray lehibe amin’ny fanomezan-danja ireo mpampianatra, mpikaroka, mpianatra ny fisian'ity sehatra fifanakalozan-kevitra ity.

Manam-pahaizana avy eto an-toerana sy avy amin’ny Firenena mpikambana ao amin’ny SADC ary avy amin'ny Ranomasimbe Indiana no nanao famelabelaran-kevitra manodidina ny lohahevitra « Fampandraisana anjara isam-paritra : fanoitra ho an'ny fanafainganana ny firosoan'ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny fomba fambolena ».

Tombony ara-stratejika lehibe ho an'i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona SADC ary mifandray amin'ny laharam-pahamehan'ny Fitondram-panjakana amin’ny fampiroboroboana ny maha olona sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny lohahevitra.

Manodidina ny 500 ireo manam-pahaizana sy mpisehatra maro, mpikaroka, mpanao politika, mpianatra, ONG, mpandraharaha ary mpiara-miombon’antoka ara-teknika tonga nifanakalo hevitra. Tonga maro ihany koa ireo Filohan’ny Oniversite, solontenan’ireo mpampianatra sy mpianatra manerana ny Nosy.

Nampahafantarina nandritra ny hetsika ny zava-bitan’ny SADC amin’ny fiaraha-miasa isam-paritra, sy ny tombontsoa entin’ny fampiraisana amin’ny sehatry ny angovo sy ny fambolena ary ny maha zava-dehibe ny fikarohana sy ny voka-pikarohana amin'ny fanatanterahana izany.

Nisy ny tranoheva fampirantiana ireo voka-pikarohana avy amin'ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny MESUPRES (FOFIFA, CNRIT, CNRE, INSTN).

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta, ireo Masoivoho ary ireo delegasiona avy amin’ny SADC notarihan’ny Sekretera mpanatanteraka, Andriamatoa Elias Magosi.

Namarana ny fotoana ny Minisitry Raharaham-bahiny sady lehiben'ny filan-kevitry ny Minisitry ny SADC, Ramatoa RASATA Rafaravavitafika.

Afaka niaina mivantana ity hetsika ity avokoa ny Malagasy rehetra tamin’ny alalan'ny fampitana mivantana tamin'ny haino aman-jerim-panjakana sy tamin'ny tambazotran-terasera. Nikarakara ity hetsika ity niaraka tamin'ny vondrona SADC ny MESUPRES.