Nahitana vokatra tsara ny ezaka fiaraha-mientana sy fahavononana nasehon’ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa tamin’ny fanadiovana ao anaty fikarakarana ny fandraisana ny fivorian’ny SADC.

Ny 12 Aogositra 2025 dia notohizana izany ka nandray anjara mavitrika ireo mpiara-miasa rehetra avy amin’ny ministera foibe sy ireo foibem-pikarohana eo ambany fiahiany nanomboka teo amin’ny tonelina Ambanidia ka hatrany Ankatso.

Nitarika ny hetsika nisolotena an-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla, ny Sekretera Jeneraly, Pr SALAVA Julien.

Manentana ny rehetra amin’ny fitohizan’izao fiaraha-mientana amin’ny fahadiovana izao na aorian’ny fivorian’ny SADC aza.