Ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA dia mametraka ny fikarohana ho isany fanoitra lehibe amin'ny fampandrosoana ny Firenena. Ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa amin’ny alalan’ireo ivon-toeram-pikarohana sy ireo mpikaroka ao aminy dia miasa hatrany amin'ny fampiroboroboana ny fikarohana sy ireo voka-pikarohana.

Mamaly izany politika izany ny hetsika toy ny « Salon de la Recherche au service de l'Economie et de l'Emploi » andiany fahafito izay karakarain'ny Oniversiten'Antananarivo ny 7 sy 8 aogositra 2025. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika teny amin’ny Esplanade ANKATSO ny Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RANARIJAONA Hery Lisy Tiana ny 7 aogositra 2025.

Maherin'ny 60 ireo mpandray anjara haneho peta-drindrina sy santionany amin’ny fikarohana ary modely azo ampiasaina. Hisy ny Hackathon manam-pahaizana samihafa, ahitana mpifaninana miisa 15 mahery, vonona hanandratra ny fanavaozana. Ity hetsika ity ihany koa no sehatra tokana ho an’ny orinasa, mampifandray ny tontolon’ny akademia sy ny sehatra ara-toekarena.

Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe : « Miara-mientana ho an’ny fikarohana manampy amin’ny fampandrosoana maharitra »