« 𝑀𝑖𝑠𝑎𝑜𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎-𝑚𝑖𝑒𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑧𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑎ℎ𝑜𝑚𝑏𝑖𝑎𝑧𝑎𝑛𝑎 »
Nitondra ny teny fisaorana avy amin-dRamatoa Ministra, Pr CHAMINAH Loulla ho an'ny Fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa tamin'ny nahatontosana ny fanadinana bakalorea 2025 ny Sekretera Jeneraly, Pr SALAVA Julien nandritra ny fananganan-tsaina ho an'ity volana ity.
Nahitana fahombiazana ny fiaraha-mientana sy firaisan-kina. Nizotra araka ny tokony ho izy ary tsy nisy ny laza adina nivoaka alohan'ny fotoana hoy ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony, Dr BEHAJA Alan Basile.
Tontosa ary nahitana vokany ihany koa ny « Mois des Universités en dialogue » andiany voalohany natao nandritra ny volana jolay 2025 manerana ireo Oniversite, niarahana tamin'ny « Fonds Commun de l’Éducation ». Antenaina ny hitohizan'izany ho an'ny taona manaraka araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RANARIJAONA Hery Lisy Tiana.
Ao anatin'ny fandraisan'i Madagasikara ny Fihaonana An-tampon’ny vondrona SADC izay ikarakarana ny « Conférence Publique » ny 14 Aogositra 2025 eny amin’ny Grand Amphi Fac EGS/DSP dia nankasitraka tamin'ny fanadiovana faobe natao ny 30 Jolay lasa teo ary manentana ny rehetra handray anjara amin'ny andiany manaraka ny 12 Aogositra 2025 miaraka amin'ny Oniversiten' Antananarivo, ny Talen’ ny fampandrosoana sy ny fandrindrana ny fiaraha-miasa (DDCP), Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina. Nisaotra ihany koa ireo ekipa miasa isan'andro amin'ny fikolokoloana ny toerana handraisana ny hetsika.
Nampahatsiahivina fa nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tao Mahajanga ny 1 Aogositra 2025 ny fifaninanana nasionaly aram-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana (ASIEF) ary manatrika izany any an-toerana ny Minisitra.
Noentanina ny rehetra hanaja ny ora fidirana sy firavan'ny birao eto anivon'ny Ministera.
Mirary herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra !