Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 1 aogositra 2025 tao Mahajanga ny fifaninanana nasionaly ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana na ASIEF 2025, izay haharitra hatramin’ny 15 aogositra 2025.
Mpikambana eo anivon’ny Governemanta maro no tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana, anisan’izany Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.
Manana solontena mandray anjara amin’ny taranja samihafa ny MESupReS. Tanjon’ny hetsika ny hampiroborobo ny fahasalamana sy ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana manerana ny Nosy.