Zava-dehibe amin’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony ka mahatonga azy miezaka manatsara ny fotodrafitrasa eny amin'ny Anjerimanontolo sy manampy ny mpianatra sy ny mpampianatra.
Tao anatin'izany indrindra no nanatanterahana ny « Mois des Universités en dialogue » andiany voalohany tamin'ny alalan'ny fihaonambe Iraisam-pirenena sy iraisadingana manodidina ny lohahevitra lehibe : « Ny fihaonan’ny fikarohana sy ny fanavaozana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara ».
Nandritra ny iray volana, niady hevitra sy niara nitady vahaolana amin'ny hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony ireo mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpandraharaha, sehatra tsy miankina ary mpiara-miombon’antoka isaky ny Oniversite tsirairay.
Namarana tamin’ny fomba ofisialy izany teny amin’ny Amphi Q1, Fakiolten’ny Siansa - Oniversiten’Antananarivo, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ny 31 jolay 2025. Samy nandravona ireo lohahevitra nodinihina tany amin'ny Oniversite nisy azy avy ireo Filohan’ny Oniversite sy solontenan'izy ireo.
Nandritra ny lanonam-pamaranana dia naneho fankasitrahana manokana ny Filoham-pirenena izay manohana hatrany ny fampianarana ary mametraka izany ho antoky ny fampandrosoana ny firenena, ny Minisitra. Nisaotra ny mpandray anjara rehetra sy ny Fonds Commun de l’Éducation (FCE) izay niara-nikarakara ny hetsika tamin'ny MESUPRES.
Ny mpianatra tsirairay dia tokony hahatoky fa nahazo ny fampiofanana tsara indrindra ary anjaran'ny mpampianatra no maha tanteraka izany hoy hatrany Ramatoa Minisitra nanamafy. Fanoitra lehibe ahafahana manatsara sy manavao ny kalitaon'ny fampianarana ny teknolojia ary manokatra fomba fijery vaovao amin'ny fomba fampitana fahalalana.