𝐻𝑒𝑡𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑒𝑟𝑎ℎ𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑀𝐸𝑆𝑈𝑃𝑅𝐸𝑆 𝑚𝑖𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑛𝑑𝑠 𝐶𝑜𝑚𝑚𝑢𝑛𝑠 𝑑𝑒 𝑙'𝐸́𝑑𝑢𝑐𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 (𝐹𝐶𝐸) , ℎ𝑎𝑛𝑎𝑚𝑎𝑓𝑖𝑠𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑘𝑎𝑙𝑖𝑡𝑎𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑒𝑡𝑜 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.
Napetraky ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA ho ivon’ny fanavaozana nasionaly ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny rafi-pampianarana, manomboka amin’ny fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony.
Ho fanatanterahana izany, dia nanatanteraka ny hetsika « Mois des Universités en Dialogue » ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, tarihin-dRamatoa Minisitra Pr CHAMINAH Loulla.
Nandritra ny iray volana, nanatontosa fihaonambe Iraisam-pirenena sy iraisadingana manodidina ny lohahevitra lehibe : « Ny fihaonan’ny fikarohana sy ny fanavaozana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara » ireo Oniversite manerana ny Nosy.
Tao Fianarantsoa, nodinihana manokana ny fampianarana ambony sy faharanitan-tsaina artifisialy : mankany amin'ny fampianarana vaovao sy tsara kalitao ny 30 Jona. Nitohy ny 15 Jolay tany Itasy izany manodidina ny lohahevitra ny siansa sy teknolojika ho an'ny hoavin'ny Madagasikara. Ny 28 Jolay ny fanovana nomerika, olana, fanamby ary fahafahana ho an'ny tontolon'ny fampianarana ambony Malagasy no nodinihana tany Antsiranana. Anjerimanontolo sy ny tsenan’ny asa : ny fomba hampifanaraka tsara ny fiofanana amin’ny filan’ny fiaraha-monina sy ara-toekarena eto Madagasikara kosa no nifantohana ny 29 Jolay tany Toamasina ary lohahevitra mankany amin'ny anjerimanontolo manavao : fampidirana ireo teknolojia vao misondrotra amin'ny fampianarana ambony no tao amin’ny ESPA Vontovorona. Ny 30 Jolay tany Mahajanga, nifantoka tamin'ny fanavaozana fanabeazana sy fianarana mavitrika : fandinihana ny fomba fampianarana eny amin'ny Oniversite ny lohahevitra. Ho an'i Toliara, noresahana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny alalan’ny fitantanana ny Oniversite. Ny fampiroboroboana iraisam-pirenena ny fikarohana mba hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony kosa no tao Antananarivo. Horesahana ny 31 jolay ihany koa ny tontolo iainana mirindra momba ny fikarohana sy ny fanavaozana ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Tanjona ny hanamafisana ny fifampiresahana eo amin’ireo mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpandraharaha, sehatra tsy miankina ary mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Anjerimanontolo.
Ny 31 Jolay 2025, eny Ankatso no handravonana ireo lohahevitra tsirairay isaky ny Oniversite tsirairay ireo.